You are here: home > Vetso

IZAY TIA ADALA - Totyjim

Azo vakiana?

Ny fitia sy ny olo-tiana, iza no mba mahalala
Izay antony fisiany , ny hery miafiny aminao
Re matetika ombieny  ny hoe izay tia adala
Dia miara adala eny isika na izaho na ianao
   Adaladala mitomany sempotsempotry ny sento
   Adaladala sambatsambatra tsy mba mahatsiaro irery
   Adala feno fifaliana na fandalovana aza ny eto
   Adala rehefa tsy eo anilany,lasam-borona sy very
Raha izay tia tokoa adala, aleoko adala mandra-maty
Adala manana olo-tiana, henikenika fitia
Fo roa no indray mitempo sy midoboka ao anaty
Satria nanjary adala roa no nifanaiky hiara-dia.


  

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha