You are here: home > Vetso

DISO FANANTENANA - Totyjim

Azo vakiana?

Feno dia feno toa mila hitobaka indray ny hafaliany
Somebiseby maketsy sy eroa fa ho avy ilay tiany
Tsy hainy hoe aiza no asiany ny tenany, feno azy ny trano
Faly sahirana toa zanak'omby ampianarin-domano
            Nanomboka niandry, nandeha ny minitra nikisaka ny ora
            Iaraha-mahalala fa miandry fotoana  tsy zavatra mora
            Nisoko mangina sy toa naka toerana ny ahiahy
            Te hiantso azy mafy sy te hanontany kanefa tsy sahy
Nisalasala ka hoy izy farany "aleo antsoiko"
Dia tsy asiana resaka fa maneno tokana aloha dia vonoiko
Raha vao maheno an'izay izy dia azoko antoka fa tsy maintsy hamaly
Tsenaiko amin'ny amin'ny feo somary tsy taitra sariaka sy faly
             Nefa indrisy fa nihoatra avo sasaka ny ora iray
             Namerina niantso izy fa naneno fotsiny tsisy nandray
             Ilay endriny mirana nivaloharika nanganohano
             Ilay tavany mandina nanjary kotsa sy toa vonton-drano
             Nanjavona tsy hita ilay fanantenana nisolo alahelo
             Ny somebiseby toa aim-berimaina nanenjika avelo


            

Hametraka hevitra

Midira aloha