You are here: home > Vetso

HO AIZA ? - Totyjim

Azo vakiana?

Zary mangingina tsy ahitana teny
Manjonitra toa vorona tsy afaka misioka
Ny maso kaodikaody izay hita maha-sodoka
Manembonembon-dava tao zaza very reny
  Miainga lalina any finiavana hitroatra
  Hitroatra ho aiza anefa?
  Ireto manodidina efa tsara voatra
  Mampihemotra hilefa
Kivikivy foana tsy mahandry ny maraina
Isaina lava ny ora irina hisosa mafy
Te hahita fahasambarana fa tsy mahafoy miafy
Tsy mety hiray lalana ny fanahy sy saina
   Dia manontany tena, ahoana indray ny ampitso
   Inona no hitranga?
   Ny marina anikeheo, rahariva mety ho diso
   Fiainana kinanga.
  
                                                     Totyjim

Hevitra mandeha

fahamarinana (05/03/2010 09:10:53)

Tsara e!Pao-tsatroka be !Mahalaza izay lazainy !:-)

Hametraka hevitra

Midira aloha