You are here: home > Vetso

NY SORATRA - Totyjim

Azo vakiana?

Mandonaka tany ny ora mikija
Misoko mangina ireo feon'antsiva
Mandrava ny sarotra ny herin-tsaina
Fa ny herin'ny soratra toa tsy hay lazaina
    Mandalo ny teny fa izy mitoetra
    Fitaovana tsotra fa mahery setra
    Azo andemena ny fo ny sy saina
    Mety manimba raha tsy hay ampiasaina
Ny sento, ny tsiky na koa ranomaso
Ny holatra omaly navelan'ny ankaso
Na ireo hasambarana sendra tsaroana
Ataony tsy handairan-drafanadinoana
    Ireo fehezan-dal├ána ...,sy ny baiboly
    Na ny fampianarana any an-tsekoly
    Eny fa na dia ity ataoko ity
    Dia sora-mirindra miainga ankavia
Izay raha fehezina kely tsotsotra
Natao tamba-kevitra niara nazotra
Ny herin'ny soratra tsy manam-petra
Mibaiko ny tontolom-piainan-drehetra.


Hevitra mandeha

raozigasy (01/03/2010 18:27:47)

Mahafinaritra ny aingan-tsoratra ry Totyjim a

fahamarinana (05/03/2010 09:11:25)

Tiako ihany koa !Miandry ny manaraka indray !:-)

TojoAvotra (16/10/2013 16:49:03)

Mankasitraka e.Efa tena voafehinao ilay izy...Dia maniry anareo indrindra ho zoky toa ray,ho kintana mpitaridalana

Hametraka hevitra

Midira aloha