You are here: home > Vetso

SITRAKO........ - Totyjim

Azo vakiana?

Mba sitrako loatra ny hahita anao isan'andro isan'ora
Hiara-misedra aminao izay mitranga na mafy na mora
Mba sitrako loatra ny hiara-dia sy hitantana anao
Hamadika pejy ka hiaraka hanangana fiainam-baovao
     Tsy aritro mihintsy ilay tsikinao tsy dia fahita firy
      Ny endrikao kanto misaridrika toa  raozy maniry
      Ny volonao tsotra somparan'ny rivotra be setrasetra
     Akifikao mora dia toy ny voabango indray izy rehetra
Sitrako loatra ny hifanome toky eny hatrany am-piangonana
Sitrako loatra izaho sy ianao ho iray ankohonana
Sitrako loatra, tena sitrako mihintsy kanefa indrisy
Fa na tamingan'asa hamelomako anao aza mbola tsy misy.

                                                   Totyjim

Hametraka hevitra

Midira aloha