You are here: home > Vetso

TSIARO (ho an'ireo mpahay mozika efa lasana) - Totyjim

Azo vakiana?

Nolalovan-drahona matetika nisesy
Ny tontolon'ny mozika sy ny seha-javakanto
Nahatsapana sento sy fijerin'olon-dresy
Alahelo niavosa ranomaso tsy hay naato
        Tsarovako manokana indray alin'ny talata
        Volana novambra fito amby roarivo
        Nodimandry i "Toty" nitsotra anaty vata
        Rehefa nialana nenina teto Antananarivo
Ireo mpankafy mozika indrindra fa ny jazz
Na mpihira na mpitendry, dia tonga niarak'ory
Nanati-boninahitra, nijery farany azy
Tonga nankahery sy niara-niaritory
       Fotoana tsy ela akory taorian'izay
       Dia lasa indray ra-Jim nanaraka ny diany
       Nisintaka ny tany mba hody any amin'ny Ray
       Fiononana no atelina tsy asiana antsipiriany
Ho anareo rehetra mpahay mozika efa lasana
Misaotra, mankasitraka namela mamy ho anay
Tsy hanafoana ny tsiaro raha izay varavaram-pasana
Any volana any taona, tsy maintsy mbola hihaona indray.

                                            Totyjim

Hametraka hevitra

Midira aloha