Am-pitiavana (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Ho anao ry ilay nandray ahy ho namana, nefa noraisiko ho toy ny olon-tiako. Tsy vitako ny hijanona ho namanao fotsiny ary fantatro fa tsy ho ekenao mihitsy aho. Ka raha nandao anao tsy nilaza n'inon'inona aho, dia tiako ho hitanao ity tonokalo ity izay fara-hafatro ho anao.)

Am-pitiavana

Raha hifandao ihany isika anio, tsy ho vitako ny hanao veloma
Satria ny anatiko rehetra hatramin'izao mbola tsapako voadona
Nefa izao fisarahana izao, tsy maintsy notanterahinantsika ihany
Ka ataoko am-pitiavana ny fandaozako anao dieny androany.

Raha hijanona ho mpinamana koa anefa tsy ho vitako intsony
Fa taminao ny foko nitempo foana tsy mba nety nitony
Kanefa androany aho nisafidy ny hiala mba hamela anao malalaka
Irariako ianao hahita izay mba hampasambatra anao am-pitiavana

Hisaraka eto ny dia, eny ry tiako sy tsy foiko teo aloha
Marary izany fisarahana, saingy irariana ihany izay mahasoa
Am-pitiavana no tsy maintsy handaozako anao ry tiako
Fa hitady ny anjarako any an-kafa aho rehefa tsy misy ao aminao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
756 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149