Avereno. (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avereno amiko tanteraka,
Raha toa tsy ampy anao,
Ny safosafo, tosy sy fitia...
Na nomeko tsisy tambiny
Aza tazonina ny ambiny.

Raha noheverinao tsy marina,
Raha toa ianao tsy mino,
Ataovy toy ny nofy,
Ajanony aza hitarina,
Rehefa mifoha ianao adino.

Lay "isika" rehetra ireny,
Lay molotra
feno hovitra niteny,
Hoe ianao angamba:
"lay silaka fanahy"
Avereno ho ahy.

Lay toerana niandrasako,
Ny "isika"hifankahita,
Izay rehetra Hokinasako,
Ho ataoko toy ny efa vita.

Ny efa lasa koa
Ny "izaho sy ianao miankin-doha"
Raha toa tsy ampy sy tsy lany
Ireo tazony ho anao any.

VR 17-06-08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1114 1
Mpakafy: Vitsikakely
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 17/06/2008 09:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143