SOA IHANY (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tahaka ahy izy,

Ny azy,
ny sarisary sy diary nomeko azy,
efa kila efa may.
Aminy,
sangy,vazivazy
andriran'antsy kay ny anay.

Baraingo no nanaingo
ny "tsy fantatra indray"
Izany no mba valin-teniny
amin'ny hoe: rahoviana
no fotoana mety hifanomezanay.
Ny vita manko hono tsy neniny!

Ny ahy
noheveriko fa matotra ireo voady,
safary kay ny azy!
Ireo lainga sy fitaka
nanambazany ahy
nandravaka ny tonantonako,
Lasa tempoly naoriny tsy nahy
teo an-tany lonako.

Dia mbola nahavitako
vavaka mihavaka
amin'ny "aza manadino".
Afo saika tsy voavono,
mbola nankao aho mbola nino.


Na ny figadon'ny
taona mety ho avy
aza nahatsiarovako azy.
ireo sangisangy andriran'antsy
mbola nandinaka ahy,
sady mbola nihantsy
toa raozy mariazy,
mitonon-tena hoe
ity re aho otazy.

Ilay raozy hay bobongolo,
Ny voady miaro fitaka,
Ilay afo koa mololo,
Soa ihany aho fa nisintaka
Zaho aho sambatra mibitaka
Izany moa mazava ho azy
Soa ihany..
'zaho tsy tahaka azy!

VR.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1674 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 17/12/2008 13:23)
humm tiako lay hoe "Ilay raozy hay bobongolo ... Ilay afo koa mololo ..."
Sohitika ( 18/12/2008 09:17)
lol
Tsy aleo ve raozy tsara kolokolo
Afo mamay fa tsy mandoro(mololo)
Atao anaty tempoly sanatria tsy mba mikoro!:-)sa ahoana Katia?..any a@"rediredy Land"feno an'ireo ze mitady... lol
Dia
hery ( 19/12/2008 08:39)
Indrisy... izy tsy ianao :-)
Sohitika ( 19/12/2008 09:58)
Hery!!voro mahery:-)lol
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 16/12/2008 18:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139