ZATO TAONA AHO (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Efa ho zato taona aho rankizy atsy ho atsy,
Efa 100 taona aho ity mbola tsy lasana,
Be loatra izany, amin’ny fiainana raha fivatsy,
Nanadino ahy mihitsy angamba ny fasana?!

Ireo iray tampo amiko rehetra tena tiako,
Izaho sisa no eto, ireo efa tapitra tarangana,
Ilay FARA-ny iny izao no nitomaniako,
Izaho ty velona, matanjaka,miriaria, mbola mitsangana.

Ilay vadiko malalako any ‘lay tsy foy
Taona fohy izy no nomena mba ho tiaviko
Ny alaheloko azy sisa isan’andro no manjoy
Misy koa no efa nanaraka azy, ireo zanaka aman-jafiko.

Iriako ireo zay any ankoatra mba ho sambatra,
Amin’ireo no miantefa ny vavako isan’andro
Saingy ny tena fangatahako miafina tsy mihambatra,
Amihina azy ireo indray, dify ve 'lay vanin'andro?


Ny fiainako? efa feno, tao ny mamy, be ny nangidy.
Nanana ny namako aho,ny varavarany efa mihidy,
Nanohy ny lalana aho, irery, niharina nanefa adidy
Ireo taranako MIFANKATIA sisa amiko no SAROBIDY.

Efa ho 100 taona aho atsy ho atsy, rey olona,
Be ny vitako, amiko efa tapitra ny tolona,
Efa ho 100 taona aho fa adinon’Andriamanitra,
Zaho anefa efa te ahita izany lanitra.

Zato taona nianarana ny atao hoe fiainana,
Zato taona nahafantarana hasambarana sy fanaintainana,
Zato taona: zanaka, zafikely, zafihafy,
Fiatombohana sy farany, efa fasana mitafitafy.


Izaho akory sanatria tsy mitomany fahafatesana,
Na mandidy jadona ilay manome sy maka
Fa izany zato taona izany fandresena, tsy hay refesina.
Omeko ny hafa indray ny toerana, izaho efa tompon-daka!

Volatiana Rahaga.25-10-08.

Voninkazo ho an'ireo rehetra mahatratra zato taona!

Dia ho an’i Nenibe Louise Rahaga, 100 taona atsy ho atsy.
Fi-Renena, loharano nipoirana, vy nahitana, ary mbola andrarezin’ny taranany!
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
2204 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 25/10/2008 11:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143