OMEO AHY. (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo izay azonao omena:

Ny tananao ho fihiniko,
Ny masonao banjiniko,
izay foinao tsy an-katerena,
Ho ahy dia izay no fandresena.

Omeo ahy ho vinaniko,
ny andronao maraina mihiratra
tana-masoandrom-pitsikiako,
kintana iray mamiratra.

Izay mozika fandrenao
ento amiko ataoko hira
ho ren'izao tontolo izao
F'am-poko ianao na an-dakira!

omeo ahy ny fanantenana,
ihazonako ireo dina,
Hamelona azy ho hafanana
ahatontosan'ny faniriana.

Omeo koa ny alahelonao
An-tsoroko indro apetraho,
Ireo mety hiaka ranomaso
najananaikan'ny ankaso.

Ianao no efa ilay nandrasako
ilay notadiaviko kinasako,
Ilay efa vitako hoso-doko
Eny ho aho... efa lasanao ny foko.

VR.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1618 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 24/03/2009 10:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144