TSIAMBARATELO (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba inona ary izao?
No lazainao azy iny
Lay hoe "nilaozako izy ho aho"
Sa hoe "efa lany ny hamamiany?"

Sa ve hoe "izy no nandeha?"
Nahita ny olona hafa tiany
Sa hoe zahay samy hafa be
Momba ny lalana avy mba niriany?

Mba inona ary izao
No avalinao ilay fijeriny,
Manontany anao mangina,
Dia inona no ho eritreriny?

Avelanao ve izy?
Ahita izay takaitra
Ahatsinjo ny nafaitra,
Sa hitohoka ny maminy,
Avy amiko mankaminy...

...Higoka iray minitra,
Ilay loharano tsy mba ritra,
Mandalo anao manelanelana
Mikoriana sy mamelona,
Izay efa vaky voa namelana?

Dia inona ary izao,
No hanazavanao ilay tsiky teo?
Sy izay niloaka tsisy feo,
Ireo fihetsika toa mifandiso
Ireo topi-maso risoriso?

Avelanao ve izy?
Ahalala vetivety
Ny marina bontolo,
Ny nety, ny tsy nety-
-ve ho avoakanao daholo?

Aza misy aboraka aminy
Na ny mangidy na ny maminy,
Afeno tsara tsy ho hitany,
Izay mety ho tarehy sy bikany

Avalony anao irery
Ireny taloha rehetra ireny
Iangaviako ianao hampiery
Tsy hamongatra azy ombieny.

Aza avela misy ho fantany,
Izay nitranga tamintsika,
Ny tsara indrindra nisy farany,
Maty afo, nangatsiaka.

Satria izao no tena iriako
Tsy sanatria ka vazivazy,
Ny fahanginanao no tiako
Ho fahasambaranao sy azy!

VR.Anjoron-tany.03-08-08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1668 1
Mpakafy: endrika01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 04/09/2008 00:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143