TSY IRERY IANAO (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ny toe-java-mahasambatra,
Fohy,mandalo dia miserana,
Misy jaly, fo voasabatra,
Mandava-taona maka toerana.

Nosim-pitia tsara faritra,
Nidaosin'onja dia adino,
Tantara niriana aharitra,
Dia vita ho azy tsy nampino.

Dia misy izao rehetra izao,
Eo ny mamy eo ny mafaitra,
Masoandro, orana mitraho
Hafanana, hatsiaka toa tsy laitra.

Kanefa...

Izany angamba no fiainana,
Mbola hisy ny alina tsy hampatory,
Tsy atao mahakivy na hitarainana,
Fa tsy irery ianao akory!

Satria...(hoy Elie Rajaonarison)

Misy maso tsy hitanao
Fa mijery anao ihany,
Misy fo tsy tsapanao,
Fa mitempo ho anao mangina.

Misy saina tsy arakao
Fa misaina anao hatrany,
Misy Tia tsy fantatrao,
Fa hay mandray anao ho TIANA.

.../...
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1988 1
Mpakafy: Domoinalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 14/10/2008 16:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144