Raha vitanao.... (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vitanao dia...

Adinoy iray minitra,
Izay hetraketraka sy setra,
Ny fonao efa triatra,
Izay nisalovana rehetra...

Izay mety handrendrika,
Ilay endrika
tsara, tamin'ny fiainana
nanananao.
Raha vitanao!
...
Adinoy ny efa lasa.
Alaviro am-po, an-tsaina,
Ny tsara ihany atao kinasa,
Omeo aina...
lefero ny fahasiahana
ny didy jadony
Antsy maranitra, mandrasa.
Entano ny fonao,
Henoy ny enim-polo segondra
ny figadony...
...
Iray minitra tsy miherika
Raha vitanao...dia ho hitanao fa
hiato mbamin'ny erika.
Ho tsapanao fa mamy kay ny miaina.
Tsy ho re izay manaintaina
...
Ho azonao fa misy:
"Izao tontolo izao".
Tontolo
Antsain'ny segondra enim-polo
MILA anao,TIA anao manontolo.
...
Aza potehina,
odiana tsy hita
na avela mangatsiaka,
Izay hafanana mety avy aminy,
Aza avela ho sembanin'onja
Na dia iray minitra monja,
Raha vitanao...

Izay ilay iray minitra TIA...


Dia izay le DIWALI.

Happy Diwali!

V.Rahaga.28-10-08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1584 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 28/10/2008 17:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1218