MIRADO (Volatiana Rahaga)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy sahy nanohitra dia efa azon-tsiny,
Nisy ninia, na tsy ho to aza ny faniriany,
Mati-tangena fa namela ny hamamiany,
Lavo, fa niady ka mpandresy ho an'ny tiany.

Dia izay ilay RADO poeta avo lenta,
Fanta-daza fa tsy nihambo ho mpanana talenta,
Nanome fanantenana ho an'ireo voasetaseta,
Loharano naninteraka tohofin'ireo nangetaheta.

Soratra no namborahany izay tsy afaka nanoatra,
Nogejaina, nofehezina ka tsy afaka nitroatra,
Kanefa efa matoy ka raraka ny tafahoatra,
Mamiratra toa kintana miparasaka any an-koatra.

Nivarahontsana naheno fa voasabatra ny fony,
Dia hoe lasana izy, samontamonta tsy ho tony,
Hipok'alahelo miventy azy tsy eo intsony,
Misaona azy ny poema diso rima tahaka itony.

...ho an'i RADO.

VR, Anjoron-tany.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1536 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 09/10/2008 10:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102