Mbola te ho velona aho. (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)mbola te ho velona aho

Ahita izany: tantely mamy rendrika tanatin'ny hamamiany,
fanahy nanirery ela sendra silaka niriany,
lokon-danitra marevaka, mirenty volom-parasy,
mpifindra monina tamana manda ny hiova lasy!

Mpanoratra voa-panga sahy mamoaka indray ny peniny,
mpitsara iray tsaraina voafatotry ny teniny,
mpifahavalo mahavita izany mifandray tanana,
mahantra afangaro amin'ny antsoina hoe "mpanana".

Mbola tiako ho hita...
Ilay voafonja gadra lava tsy amin-drariny iny,
omena indray ilay "zo"izay efa ela no takiany
ahatsapany izany "afaka"ary koa miriaria
amin'ny tany sy tontolo tsy misy valam-paria.

Tontolo iainana voahaja lavi-pahasahiranana,
zaza maro mikirimba tsy mahalala hanoanana,
masoandro tsara sasaka, samy mahazo izay tandrifiny,
tsy misy vintana miangatra ka hoe iry ahifiny.

Mbola te ho eo aho...

Hahita ilay "nosimena"ho lasa "firenena",
matanjaka, tsy miankina ary mahaleo tena,
Ny mponina ao aminy sahy milaza tsy mihambatra:
F'izany MADAGASIKARA izany: IRAY, MILAMINA sy SAMBATRA.

(...) mbola te ho velona aho.

VR.
--------
Rohy:
1624 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 22/10/2009 09:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097