FA ORA FIRY IZAO? (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba ora firy izao?
No ny hariva manontolo
No nahatsiarovako ahy nanoratra?

Mba ora firy izao?
Ny ratsa-tanako efa valaka,
Soa ihany reo fa folo,
Feno hetsika malalaka
Ka afa-nanimbolo
Ireo rediredy aingam-panahiko
Atobaka aminao, ianao lay tsiahiko.

-Angamba-

Malahelo,
Ilay isan'ora banga anao
Ireo segondra ambaminitrany
Ireo tempo-po akitrany
Mazana tato ho ato
Averiny tsy miato...

Ireo tsiambaratelo,
Mila efa hitroatra,
An-tsoratra mivoaka
Ombalahy tsy tana am-bala
Nahatazana malala.

Mahatsiaro ilay isika
Manavatsava an'i Afrika
Ianao ilay nivolana
F'adino am-bamin'ny olana
R'efa eo anilako eo
Tia tsy mety leo!

-Angamba-

Very fotoana naminany
Ilay eto ka hatrany,
Fa manantena foana,
'lay indray andro mbola hiaona.

-Angamba-

Mbola ao 'lay ririnina mangitsy
Ireo sisa ora vitsy
Nahafahako nijanona,
Niankinako aro-fanina
Sy ilay veloma mbola mino
Sanatria ifanadino!

-Angamba-

Niverina Nihelina,
Nandalo toa tsipalotra
Namoha, nanelingelina
Ilay efa latsa-paka
Tsara fototra efa matotra.

-Angamba-

Ilay penina
Tsy nangalatra fa naka
Ireo fotoanako,
Nomeko tsisy nenina..
...Fitiavako!!
Andeha ange zahao
Efa ora firy izao?

VR.17-07-08.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1297 1
Mpakafy: Smbatra
Hevitra mandeha
evakely ( 23/07/2008 09:04)
Tohizo fa tsara ilay izy, hay ve misy talenta be otran'izanyeee
Sohitika ( 23/07/2008 10:38)
Misaotra akia Evakely, tsy hoe mana-talenta fa mba fanahy miainga indraindray:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 16/07/2008 23:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145