Hoso-dokon'ny foko (Volatiana Rahaga)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoso-dokon'ny foko...

Loko maro hafa no namboloin'ny foko,
Ventesin'ny fanahiko,
Tanaty fahanginana,
Sarintsarin-tsaina,tsy misy filaminana.

Loko MANGA, ilay ndray lohataona,
Ny masoko nanopy,
dia taminao foana,
Feno teo lay banga,
Tamin'ny ora sy fotoana,

Vetivety teo dia MAITSO,
Ilay eritreritra tsy tana,
Nipololotra avy any,
Ny herin'ny fanantenana.

Kinanjo MENA, nidorehitra,
'Ty izy mamohehitra
Niatsampy an-tsandrin'
olo-tiana fa tsy manina,
Vonton'alahelo, potika sy fanina.

MAVO! toa lemaky ny tazo.
Niaritra izany rehetra zany,
tanatin'ny tomany,
Toa bibilava voafandrika,
tsy tanana handrangotra.

Poa toa'zay anefa
fa lazaiko anao,
Noraisiny ny tanako,
Ny MAVO sy ny MANGA
no ndreo nataony niaraka.
Tsy nino teo ny masoko,
feno teo ilay banga,
Indro iny loko MAITSO
namboariny ho tranga,

Nibitaka ny foko,
Dia nanantena ndray.
Ny MENA sy ny MAINTY,
Noheveriko hifangarika,
Tsoriko aminao,
ianao no hanamarika,
Fa vitany nilanto,
ka lasa loko iray,

Ka tsy ataoko imasony,
Fa lay hosotry ny foko
sy ny loko vasobasony,
Nataoko andrakandrana,
Hanadinoako anao,
Narindrany,
an-doham-pandriako no nahantony,
Nasiany tonony sy kalony,
Nambabo ahy ny hakantony.

Anjoron-tany 24 aprily 2008.
Volatiana Rahaga.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1600 0
Hevitra mandeha
ikalamako ( 31/03/2019 09:28)
mahay ny mpanao hosodoko an-tononkalo !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 23/04/2008 22:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152