INY ZANAKO INY (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny zanako iny
no porofom-pahamatorako,
Iny zanako iny
no fahatanorako,
Amin'iny zanako iny
ihany koa ny fahatsorako,
Feno iny zanako iny
ny taratry ny fikasako.

Iny zanako iny
No tena adim-piainako,
Iny zanako iny
Lay tsy foiko tsy atakalo,
Izy iny indrindra koa
No tena odim-panaintainako,
Ho azy irery aho raha mifofotra mimalo.

Iny zanako iny,
No nahatonga ahy hivavaka.
Nampino ahy lanitra, zanahary sy Anjely.
Iny zanako iny no mba hany koa firavako,
Ary iriko raha maniry ny ho tonga SOA MIELY.

Iny zanako iny
tsy nahenoko manaintaina,
Niankinako ilay rindrina, niaretako ny mafy,
Eo akaikiny aho mahita fa hay mamy ery ny miaina,
Mampianatra ahy manome, mizara sy mihafy.

Iny zanako iny
Nampihiratra ny androko,
Nampisava izay mety ho maizina rehetra,
Izy mihitsy angamba no anjara masoandroko,
Tanin-drazako, Hasina, Lovako mitoetra.

Koa ho an'iny zanako iny 'zay mety dia-tongotro,
Azy manontolo izay efan'ireo tanako,
Iriko ho Soa Toaviny ny tsara indrindra atolotro,
I SOAMIELY koa no handova ny fananako.
VR.Anjoron-tany 31-07-08
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1637 1
Mpakafy: achrafhanna
Hevitra mandeha
Ryana ( 01/08/2008 17:28)
Tsara be.
Ryana
Sohitika ( 05/08/2008 23:10)
Mankasitraka Ryana nitsidika.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 31/07/2008 19:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139