You are here: home > Vetso

ITY INDRAY MANDEHA ITY - Volatiana Rahaga

Azo vakiana?

...Ity indray mandeha ity,
Zaho tsy ivolana fitia...


Izaho tsy hamboraka hetsi-po
Tsy hanatobaka azy ho vary raraka
Izy no aleo hilaza aloha,
Fa harary ilay "zahay" hisaraka.

Tehiriziko mafy anaty,
'Lay "tiako ianao" mitady hitroatra,
'Lay zaho sy izy fato-maty
Kanefa tsy afaka manoatra.

Azoniko ilay fefiloha,
Tsy hibosasaka ny rano,
Tsy asehoko 'lay vaky fo,
Izaho ilaozany manganohano.

Koboniko ataoko an-tratra,
Ho voasarona tsy hianjaka
Ireo tahotro ny haratra,
Fa ho arentiko 'lay "izaho" matanjaka.

Izay fahalemeny no ekeko,
Sy tena raisiko ho fandreseko,
Izay avy amiko ka famborahana,
Tsy azy tanteraka fa isasahana.

Satria 'ty ndray mandeha 'ty,
Ataoko anatra amin'ny ao aoriana,
Hoe:tsy mivolana fitia,
Amin'ny manana olon-kafa tiana.

...Ity indray mandeha ity,
Izaho tsy nivolana fitia...

...Kanefa...

Tamin'ity indray mandeha ity,
Angamba aho 'rey olona vao tena TIA.

VR.Anjoron-tany 08-07-08.

Sokajy : Hambom-po

Hevitra mandeha

tashaa (12/10/2008 21:34:41)

aleo tokoa anie mitia mangingina eny e ; mampijaly ilay mamboraka anefa avy eo voapitika!!!

ricardo (20/10/2008 01:15:00)

Marina ny anao, fa aleo dia mangina
Fa mafy izany hoe tia, nefa tsy mba tiana
Miteraka alahelo, miteraka tomany
Ka ny hany hafatro raha tia, aleo mangina ihany

Sohitika (20/10/2008 08:55:06)

Tashaa,Ricardo namana isany, marina mihitsy aleo mangingina eny ihany e:-)misaotra nitsidika.

Hametraka hevitra

Midira aloha