MISY ANY (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy any,

Tadidina efa ela,
Dia sary iray tavela.
Ritso-panahy efa voahidy,
Nofongarin'ny tadidy.

Sento iray mbola tsy levona,
Tafahitsoka mampievina
Nofy kely iray tomika,
Nahazo toerana sy bika.

Tana-masoandro kely iray,
Lasa empoka mahamay,
Erika tsy re nitaika,
Tonga orana mijananaika.

Hetsi-po tafahoatra
Nahita lalana nivoaka,
Dobo-po niloaka an-tratra,
Lasa emponempona tsy zaka.

Fotoana fohy tsy nihaonana
No efa lasa arivotaonany,
Fanantenana fitoventy,
Tonga hamaotonana vaventy.

Dia misy koa...

Alavirana misary ankaso,
Fitia lavitry ny maso,
Kanefa re sy tsapa koa,
Fa 'zay vao maika akaiky fo!

VR,Antananarivo,15 Aogositra 2008.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1846 1
Mpakafy: endrika01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 27/08/2008 21:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885