Ny Aty sy ny Any (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny "Aty" sy ny "Any"...

Dago ny azy ny andro lohataonany,
Raha oharina amin'ny andro aty,
Tena miakatra ny mari-panany
Fa ny aty "fotokopia"
...
Ilay sakafo tsara fy,
Aloatra atao be am-bilia,
Ny "any" aroso tsara voatra,
Ny "aty" matavy mampihoaka.
...
Ilay noheverina ho "fitiavana"
hamitana ezaka goavana,
Ny "any" tsisy fahataperana
Ny "aty" mandalo dia miserana.
...
Fomba fiaina sy fitafa
Ny "any" raha oharina amin'ny hafa
Mianjaika, tsotra sy voafehy,
Ny "aty" hatrany am-poto-pe.
...

Ny "aty" antsoina ho avara-pianarana,
Ny mpianatra havanana toa tsisy kihanina,
Mahay miteny, mpandalina fantatra anarana,
Zahay "any" fanta-daza raha toa ady sanina!
...
Ny "aty" hono bikaina sy soa ny vehivahy,
Maha folaka babo ny lehilahy mpiavy,
Mbola hafa ny "any" malemy mahery,
Tsy be menimenina mahari-pery.
VR 23-05-08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1412 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 23/05/2008 23:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076