NY FOKO "ENINA" (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tononkalonao,
No tena lasa vaika,
Ientanan'ny fanahiko,
Tsy rototra tsy maika,
Mampisava ny ahiahiko.
F'efa hitako nandrasako,
Tehiriziko an-diary
Afeniko any TOLIARY.

Ny feonao 'zay
Mampandry fehizay,
Ireo samontamonta
Navoakan'ny hetsi-po
Zay mbola tsy matoy,
Mety amin'ilay hirako,
Notendreko namikirako
MbĂ´la tsara! tsara loatra,
Tsy misy mpanana,
Tahaka an'i ANTSIRANANA.

Ilay "isika"nifamihina,
Mbola imasoko eo ny sariny,
Avoakan'ny tadidy
Atobany, fongariny,
Madio mangarangarana,
Raha niala tao FIANARANA.

Ilay orokao mangina,
Mbola eo imolotro eo,
Mamerina hamamiana,
Toy ny avelon'olon-tiana,
Nalevina anirony,
Hay tsy mamy fa
-TOA-MASINA- ny tsirony!

Dia indro ny fo amam-panahiko,
Matoky tsy manahy,
Fa ho anao irery sy ahiko
'Zay hirantsika 'zay.
Ifankahita indray,
Hiriaria, malia,
Ivolana fitia
Hameno ireo 'zay banga
Eto hatrany MAHAJANGA.

Raha sanatria tsy tody,
Fa be sakana ny lalana,
Ny akony itampody,
Ivadika ny lakana.

"Fitia"ampitondraina!
Ataovy be dia be
Tsenaiko eny Sambaina,
Entiko any ANTSIRABE.

Lalina 'lay fitiavana
Nomeko anao rahavana,
Moa va tsy Manangareza?
Mafonja sy mateza.
Tsy taza-maso, tsy marivo,
Akaikikaikin'ilay foko,
Toa an'i ANTANANARIVO...

Voatetintsika tsisy nenina
'Reo faritany enina
Sy ireo hatsarany fanaperana,
Tsara mandroso sy miverina!
Raha hivezivezy koa tsy ferana...

VR,Anjoron-tany,02-06-08.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1210 1
Mpakafy: evakely
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 02/07/2008 17:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014