TIA TOXICO-MANINA (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)Raha tratrany:

Mianjeranjera, mifatratra any an- tatatra
Mihiaka, mitomany, mihatatra...

Mipôripôrina fandeha,
Mibadabada mampihomehy,

Misalebolebo te hivoaka
-'lay rediredy mamo toaka-

Jambembena andro mazava,
Manao fijery mamo lava.

Mivolambolana ny marina,
Miaraka amin'ny feo farina.

Badenidenina ny loha,
Mivezivezy ny ambiroa,

Mihilaila amoron'antsana,
Miantso vonjy am-peo karantsana.

Sempotsempotra, manidina,
Manadino, lohan'angidina

(...)

Toa tena mihatra aman'aina,
Ilay izy lasa "daina".

Fadio lahy ny -"Tia toxico-manina"-,
Fa raha sendra azy ho fanipanina.

VR,Anjoron-tany 30-06-08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1071 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 30/06/2008 21:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151