BARAINGO ? (R.N Randriii)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lazao izay ao am-ponao
Lazao eto fa miaino anao aho
Dia ilay tena tiana no aoka ambara
Ilay tena tinao hanoizana ny tantara

Ny fitiavana akory ts hifanerena
Raha izy no safidinao mandehana tsy terena
Raha izy no ilainao
Adinoy ny fisiko manomboka izao

Fa raha lasa anie ianao
Ka anaraka ilay noheverinao ho tena izy
Ny tantara antsika andeha fafao
Dia ho dorana ny fahiny satria ny antska efa tsy izy

Dia aza manahy akory ny amiko
Fa tsy hanozona aho sanatria
Fa aoka ny fitiavana no hiantso ny todim pitia
--------
Rohy:
1120 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104