TOKAM-PO (R.N Randriii)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny tsikinao malefaka
Lasa tsiaro iray mipetraka
Hasambarana tsy mety lany
Tiako ho anao irery izany
Malahelo anao ny foko
Tena izy fa tsy toloko


Mikalo ho anao irery ihany
Ity foko mamela mamy
Falifaly koa ny saina
Ka tsy misy mampalaina
Hasambarana tsy mety lo
Iny ianao ilay tokam-po


Satriko foana koa anie ry tiako
Ianao no hany fifaliako
Fa ny anilan'ny tiana no tena mamy
Izany no manaporofo ny fitiavany
Ianao ilay tokam-po
Ilay tena iray fa tsy roa

Iriko fantratra tokoa
Isika mifandray am-po
Ny fitiavako anao tsy mety lany
Efa natokako ho anao irery ihany izany
Iny fitiavantsika izay tsy mety lo
Dia isika no atao hoe tokam-po
--------
Rohy:
2375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104