You are here: home > Vetso

NY FIFALIAKO SY FITIAVAKO - R.N Randriii

Ny fitiavako anao ry tiako
No hany fifaliako
Hasambarana tsy mety lany
Natokako ho anao irery ihany


Falifaly ery ny saina
ka tsy misy mampalaina
Mirana aoka izany ny fo
Fa miara-dia isika roa

Ny fifaliana eo anilan'ny tiana
Dia tsy ho lany hamamiana
Raha sendra lasa saina
Ny anaranao kosa no vetsoko sy tantaraina

Any izay ilay fitiavako
Asa raha mahatsiaro ny anarako?
Manina azy aho izany
Manina azy ka te hitomany

Hametraka hevitra

Midira aloha