NY AMIKO SA NY AN'TOMPO - R.N Randriii
Asa re ry Raiko
Asa tokoa moa
Ekeko izao
Ny amiko sa ny anao?
Tiako ny tenako
Tiako ianao
Nefa ahoana Tompo
No hitiavako ny hafa
Ny sitraponao ve ry Tompo
No hanoratako izao
Tsy mendrika aho re
Ka asakasakao !
Eny ry Jesosy
Eny hoy aho Tompo
Hanara-dia anao
Ka ho afaka ve izaho ?
Tompo o ! ny finoako
Mihozohozo hatrizao
Tompo o ! ny fitiavako
Tsy nisy tao aminao
Fahoriana hatrizay hatrizao
No iainako tamin'izao tontolo izao
Ka inona no ataoko
Handroso sa hiverina Aminao ?
Ny olon-tiako ve sa Ianao
Tompo o ! avoty aho
Ianao ve no harahako sa izy ?
Ny amiko sa ny an'ny Tompo ?!!!
Sokajy :
Ahiahy, Aingam-panahy, Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, Fampaherezana, fananarana, fanantenana, fiainana, Fiaraha-monina, Fiderana, Fifaliana, Fiononana, Fitiavana, Hambom-po, Hanina, Hatsikana, Kolontsaina, Malalaka, tantara, Tontolo iainana, Vavaka, vazivazy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : R.N Randriii
Nampiditra : mamy.nambinintsoaDaty : 15/01/2018
Mpamangy : 824
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY TAKARIVAKOTOKAM-PO
NY FIFALIAKO SY FITIAVAKO
Indrisy mantsy ry kitana
NY SISA ANAO
HO TSININKO VE?
BARAINGO ?
FAHATSAPAKO
FITIAVAKO
Ny alaheloko eto izao