NY TAKARIVAKO (R.N Randriii)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa takariva
Mamirifiry ny hatsiaka
Mamisavisa any ho any
Ilay fitiavako mampitomany

Raha teto anilako ianao ry tiako
Dia izy no hany fifaliako Izy no fiainako
Iny ilay miaritra ny tarainako

Ndry....!!!!

Raha alohan ny hatory iny aho
Manina azy izany eritreritro izany
Manontany tena hoe
Mba mahatsiaro ahy ve izy any ho any?

Lasalasa izany saina
Toa nahatazana endrika mahavelonaina
Feno tsy izy izany fo
Eh!!...Nahita ilay tokan'ny fo
--------
Rohy:
1420 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.N Randriii
Nampiditra : mamy.nambinintsoa
Daty : 23/10/2019 10:47
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117