You are here: home > Vetso

Ny alaheloko eto izao - R.N Randriii

Azo vakiana?

Ny alaheloko eto izao
Moa ve mba tsapanao?
Ny foko tena latsapaka
mahatsiaro tena toa voadaka

Ny fihetsempoko izay tsy tana
No hanambarako ato izany ry malala
Izany no ao ampoko ao
Moa ve mb tsapanao?

Lavo izao ny foko
Ka mananika any ho any
Ny fiainako ny toloko
no hiandradrako ny tsikiko tsy ho tomany

Ny hankanton ilay raozy mavo kely
Ny halafatry ny vonikazo eny ho eny
No ho entiko mba hanalana
Izay sorisory tsy mba tana

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha