You are here: home > Vetso

ataoko ahoana - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ataoko ahoana

ataoko ahoana no fanadino
ireny lasantsika niarahana nikolo?
ary ataoko ahoana koa ny hihino
hoe ravan'ny ankaso ilay fitiavana najoro?

toa nandalo sy niserana
mantsy ilay fitiavana vao nitsiry
ka na dia tiana hiveranana
aza dia tsy hay hoe amin'ny ora firy

toa ny tsiaro anao sisa
no mameno izany saiko
nefa na maro aza ny visa
dia aleo ho tsiambaratelo tsy holazaiko

nosoratan'i raims randriamalala (mahavonjy aimé)
11 septambra 2017







Hametraka hevitra

Midira aloha