MPANAKANTO HONO IZY! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANAKANTO HONO IZY!

mpanakanto hono izy
... amin'ny teny sy ny soratra
ka mandrafitra izany
ho lasa tononkalo

mpanakanto hono izy,
.... amin'ny talenta sy ny feo
ka mivetso tononkira
ho tonga kalokalo

saingy etsy ange ianao e!
tsy izany anefa izy iny,
fa ilay hafahafa toetra,
tsy hita ho atao môdely
toa fitaratra efa vaky,
no tazatazana eny
toa rovi-drovi-boky,
no an-tanan'ny mpamaky
toa kapila efa kiaka
no an-tsofin'ny mpihaino
asa angaha nahoana?
fa toa sarotra fantarina
ny mari-drefim-pamaritany
fa "mpanakanto hono izy e"
izay no kisarisary
narafitra ao an-tsainy

poeta hono izy iny!
.... ilay mpandala ny ady rima
sy mpiantsa tononkalo
amin'ny teny sy ny soratra

mpihira hono izy iny!
.... ilay mpiangaly feo
nanambaka voromanga
sy nahababo Railovy

mpikabary hono izy iny!
.... ilay avoavo fiantso
nahavory olo-maro
tamin'ny angolan'ohabolana

tsy izany anefa izy iny,
fa ilay hafahafa toetra,
tsy hita ho atao môdely
toa fitaratra efa vaky,
no tazatazana eny
toa rovi-drovi-boky,
no an-tanan'ny mpamaky
toa kapila efa kiaka
no an-tsofin'ny mpihaino
asa angaha nahoana?
fa toa sarotra fantarina
ny mari-drefim-pamaritany
fa "mpanakanto hono izy e"
izay no kisarisary
narafitra ao an-tsainy

ny mpanakanto mantsy,
ilay manana toe-tsaina
mendrika indrindra
ary entim-pahatsorana
ny fo amam-panahiny
ilay mahakolokolo
ny teny sy ny soratra
ho tonga zava-kanto

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
rrpoeta
17-11-2023
--------
Rohy:
158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167