HO ANAO RY TANIKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO RY TANIKO

iaretako eto faona,
na rahoviana na rahoviana
na ho mandavan-taona, aza
no hiaina fijaliana
dia tsy hilaozako ny taniko
fa tiako sy andrianiko

hiezahako iaretana
sy hiniako tsy jerena
ny herim-pamoretana
eto amin'ny firenena
fa tiako ianao ry taniko
ilay tiako sady mamiko

tsy ny basy na tafondro
na ny manam-pahefàna,
manenjika amin'ny rojo
izay tompon'ny lalàna
no hangeja ny ato anatiko
fa noho ianao ry taniko

hiady aho
dia hiaro anao ry taniko
raha maty aho
dia ho anao ry taniko


RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
rrpoeta
Novambra 2023
--------
Rohy:
224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145