ETO AN-TANINDRAZAKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ETO AN-TANINDRAZAKO

Ny eto!
ny atody no miady amam-bato
ny basy no miaro ireo trozona
ny vava no miantsoantso
miantso ny tody sy ny ozona

ny eto!
ny marina no tena takiana
ny rariny tsy maintsy tadiavina
saingy indrisy fa dia fahoriana
rehefa injay ka hitaky ny marina

hitaky marina!

indrisy fa...,
ny basy no mitatatata
kirimôzenina no hafafy amin'ny olona
ny fahefàna no manjakazaka
hamoretana ireo mpitolona

dia...,
misy ny enjehana mafy
misy ny avela malalaka
ny mpitolona lazaina ho mpigafy
ka ireo no tsy maintsy haparitaka

indrisy ry tia tanindrazana
indrisy r'ilay Gasy namako
raha isika no hifanidy vazana
dia ho rava ity Gasikarako

Raims RANDRIAMALALA Mahavonjy Aimé)
RRPOETA
Novambra 2023
--------
Rohy:
235 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015