REHEFA RENY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA RENY

rehefa reny!,
dia tojo fitia sarobidy
sy hantahanta ny zanaka tiana
misetra mafaitra sy ngidy
saingy reharehan'ny fianankaviana

rehefa reny!,
dia misotro ny rano tsy tiana
itambesaran'ny ziogan'adidy
tsy ahoany izay hoe hakiviana
fa ny tokantrano no masi-mandidy

rehefa reny!,
dia matetika ny ditran'ny dada
no ady tsy maintsy reseny
ka na inona karaza-taim-bava
dia hiaretany f'efa nekeny

rehefa reny!,
dia mahavatra mahakolokolo
ny fitiavana anatin'ny fony
mazàna mahafoy manontolo
ilay tsy noeritreretina akory

fa ny tena mahasambatra indrindra!
rehefa tojo fitiavan'ny reny
milamina sady mirindra
ny tontolo takilan'ny neny


Raims Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
RR poeta
04 - 06 -2023
--------
Rohy:
285 2
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 07/12/2023 05:16)
mankasitraka tompoko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015