NY FITIAVANTSIKA ROA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANTSIKA ROA
Malala a!
ny fitiavantsika roa
efa voafatotra tanteraka
anaty teny roa
efa tsara petrapetraka
mitoeta anaty fo
ka tsy afaka misaraka

Malala a!
ny fitiavantsika mantsy
toy ny tady mifamatotra
tsy ho tapaky ny antsy
hinoako koa fa sarotra
ny hisaraka atsy ho atsy
noho ity fitiavana efa matotra

Malala a!
ny fitiavantsika roa
Aina moa no fetra?
toy izany ihany koa
ny mombanao rehetra,
tiako hitoetra anaty fo
ka iriako tarigetra
hoe : ho mandrakizay ny antsika,
ry malala tiako indrindra
ho ventesiko an-kira
ianao no tiako indrindra

TIAKO IANAO

RAIMS RANDRIAMALALA
rrpoeta
fevrier 2024
--------
Rohy:
157 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153