BABO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BABOmisamboaravoara e, ny onjam-pitia!
mila tsy ho tana ny fitempon'ny fo,
lalovan'ny kanto ity mpianjoria
ka dia nibaribary ny maso ankiroa
hatsaràna miserana tambany maso
tsy havela handalo fa manimba saina
raha toa ka avela dia ho lasa ankaso
ka tsy hahitan-tory iny mandra-maraina
veleso ny vy dieny mbola mafàna
raha toa ka fitia no masaka an-tsaina
ary aza sakanana na koa raràna
fa lazao avy hatrany izay zava-kasaina
raha fitia faratampony no ao aminao
na koa fitia tsy mba asiana takalo
haboray avy hatrany dia tantarao
araho teny mamy dia araho kalokalo
Raims Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
R-R Poeta
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 17/05/2023 16:45
