FENO NY KAPOAKA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FENO NY KAPOAKA

feno ny kapoaka
kapoaka nitehirizako
ny tena fandeferana
kapoaka nikirizako
ho fenoina fanamperana
kinanjo,
nofenoinao latsa
nofenoinao ratra
nandrava ny ato am-poko
dia indro feno loto
ilay fonenanao fahiny

kapoaka!
kapoaka iray nihidy
nitehirizako ny soa,
hanatsaràna ny ho avy
ary hanatrarana ny tanjona
nokasaina hatrizay
saingy
nangidy dia nangidy
ary nankarary fo
ilay hoe: aleo tsy misy vady
toy izay hifanozona
ato antokan-tranonay

RAIMS RANDRIAMALALA
oktobre 2023
--------
Rohy:
234 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153