RAHATRIZAY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHATRIZAY!

rahatrizay ka tsy maintsy ho hitako
ilay notiaviko any ho any
dia fihina kely sy oroka mamy
arahin-tomany
......fa faly ny foko

rahatrizay ka tsy maintsy ho tantanako
ilay mamiko indrindra
dia ho lafatra indrindra
ny fitiavantsika
.......r'ilay tokan'ny foko

rahatrizay ka hitampify eo an-tratrako
sy hitoetra eo anilako
ianao r'ilay silako
dia ho mamy aok'izany
......ny fiainana an-tany

rahatrizay hanadino ny anarako
ilay niriako hatrizay
dia hirodana indray
ireo dinam-pitiavana
..... izay nifamatorana

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
rrpoeta
15 Novambra 2023
--------
Rohy:
173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149