bandy mamolava (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BANDY MAMOLAVA

izaho ilay bandy
sakaizan'tavoahangy
dia mamolava
sy mitabataba
eran'ny tanana
ka dia higagana

ary mpanankorontana
rehefa ao am-pivarotana
ka mifamaly amin'ny mpivarotra
ka mandeha ny hompa, izany moa tsy sarotra
ary miafara amin'ny hadiady
nefa ny tena tsy dia misy sandry

dia ilay mpandry an-tatatra
toa tsy mba mahalala sasatra
ary tsy miheritreritra izay any an-trano
f'efa mamo tampona dia milalao rano

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 04/09/2017
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
987 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147