heloka ny lasa (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taona maro no nifandimby
andro maro koa no lasa
Ka nadramako ny mamy, teliko ny mangidy
ary niainako mafy, niaretako ny ratra

fa ilay lasako, toa zary niavona
toa nangarika izany ho aviko
tsy mba nitsiky fa nianjonanjona
Ka lasa sady nanitraka ny sariko

fa ny lasako! toa tsy mba azo antenaina
toa tsy azo amaharana
fa maika aza manankorotan-tsaina
ka tsy misy azo andaharana

ka !
ianao ry ho avy no hany sisa
mba namana ianteherako
ary koa mamisavisa
izay ho fahanterako

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
nosoratana tamin'ny 31 mai 2017
--------
Rohy:
827 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015