ILAY MANJAKAMIADANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY MANJAKAMIADANA!!!

Eto am-paratazan'
ny lafivalon'ity nosy
no mibanjina mangina
itsy vakoka efa rava
ka velombelon-tsento
mandefa ny ambiroa
hamisavisa lapa
ho tranom-bitsiky ny ainga,

saingy,
efa trano be mimaona
no sisa tazana ao,
ary trano babangaona
nohaingona kalalao
no sisa mba vangina,
vakoka efa haolo
no hany mba tsidihina
rehefa injany ka mandalo

fa misy sary fahatsiarovana
miloko mainty, fotsy
noraiketina an-diary
ary rovitra takila
mitantara irony lasana
no hany sisa mba tavela,

fa tsiaro mitamberina
iny afo izay nandoro
ny andrarezin'ireo vakoka
saingy tsy ny sora-penina
no afaka hampijoro
ny takela-tsary vasoka

fa ankehitriny,
raha miverina hibanjina
itsy bonga lavi-tazana
ny mason'ny mpijery
dia injany fa tazany somamby
tarafin-kazavàna
ilay tranom-bitsiky ny kanto
saingy,
trano an-dalam-panamboarana
no tinazan-tankariva
ka mbola velon-tsento
eto am-paratazan'
ny kamory ny antsiva
fa tsy mbola vita aloha hatreto
Ilay trano bongo nandrandraina
ho an'ny mpikira hosodoko
sy mpikanto ny asa-tanana
dia mbola mijanona ho sary
Ilay Manjakamiadana!!!

tsiaro ny 06 Novambra 1995

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
26 OKTOBRA 2018
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fahatsiarovana
915 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155