You are here: home > Vetso

MITSANGATSANGANA - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

MITSANGATSANGANA

mitsangatsangana eto ny antokotoko politika
mitsangatsangana eto koa ny antokotoko-pivavahana
ary efa mitsangatsangana eto amintsika
irony mena-sofina mpitondra rivo-doza-panjanahana!

ny fitsaram-bahoaka!

io no natsangana mba ho lalàna raikitra
natsangana io ho dinam-piaraha-monina
fa ny fitsàrana eto tsy natao intsony hataitra
fa efa lasa fahavalontsika mponina

dia mitsangatsangana daholo
izay rehetra manampahefana
f'efa azy manontolo
hono rehefa hoe lalàna

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 24/01/2018



Hametraka hevitra

Midira aloha