sora-tsoratra (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
itony sora-tsoratra
izay mifanao an-tohatra
itony no entiko mikalo
hisarihana mpandalo

ary ireny sora-soratra
miendrik'ohatrohatra
ireny no entiko mivetso
mba hanaisotra ny sento

mbola irony sora-tsoratra
vokarin'ny mpanoratra
irony no entiko zaraina
amin'ireo malaindaina

dia ireny sora-tsoratra
izay mitambatambatra
maneho ny kanto ireny
no asandratro ombieny

ianao lian-tsora-tsoratra
maniry ny ho mpanoratra
te hikolo ireo talenta
dia zarao ireo mangetaheta

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Nosoratana ny 25 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
677 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152