You are here: home > Vetso

tia aho kanefa...! - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

tia aho kanefa...!

raha nitopy manodidina ny jinerin'ito masoko
dia ny hakanton'ny endrikao no tazako
ka nampidoboka tsy niato ny fitempon' ito foko
ny hakanton-tsikinao niampita tamin'ny tavako

tiako ianao kanefa toa sarotra vinaniana
Ny mety ho fanekenao izany
ka tsy sahiko lazaina fa naleoko aloha nangina
hotazomiko ho ahy irery ny fitiavako tena mbola ambany

eny e! tiako ianao kanefa...
ary satriko aza ianao ho ahy irery
fandrao sao dia fitia diso fiantefa
ka mahamenatra dia hampiery

Indrisy fa tanatin'ny fotoana fohy
izany rehetra izany dia tsy ho hitako intsony
ilay endrikao mafinaritra ka tantara tsy hitohy
ny antsika ka nanapa-kevitra ny saiko hoe ajanony

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Androndra 29/10/2017






Hametraka hevitra

Midira aloha