tohin'ilay tantara (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
dia lasa i Nomentsoa nandeha fa izy raha teo ko maika ny hijery izay mba voandalana ho entiny any Iarivo ho an'ny ao an-tanàna, ary mbola maika hiverina ihany fa mbola manana fotoana amin'ny sariaka satria mbola ho eny amin'ny bord izy roa hamarana ny vacance sy ny fiarahany teto Mahajanga.

Nomentsoa:

izaho ange ry nenitoa mbola ho avy eo haka an'i sariaka e, hitondra kely azy eny amin'ny bord eny aho rahariva raha toa ka avelanao izy hiaraka amiko.
Nenitoa Lolona :
hay mbola hiverina ianao, tsy maninona ka fa mahazo maka azy eto mihitsy ianao ko inona moa no olana! dia mba ianao ihany no manatitra azy eto raha tratra alina nareo a

Nomentsoa:

eny re ry nenitoa a! tsy maintsy hateriko izy fa aza matahotra ianao e, izay fa lasa ary aho aloha e! mazotoa ianareo mianaka! mandrampihaona ary e! (dia lasa izy)

nenitoa Lolona:

eny ary anaka fa andeha zatry izy f'efa miandry koa izay ilay namanao! mandrampihaona e

sariaka :

aleo aho aloha ateriko etsy ambavahady izy ry nenitoa a

nenitoa Lolona:
iooh!

dia lasa ny anao lahy, noho ny hariva anefa dia naka an'i Sariaka indray ny anao lahy fa ho eny amin'ny bord hono e, ka dondona ery fa hiala voly eny amin'ny bord, hisotrosotro hiala hetaheta, haka haka sary e! finaritra ery ireto mpifankatia vao nanomboka ny fitiavany ireto satria dia tao anaty fotoana fohy no nihaonana dia efa samy raiki-pitia e!

dia vita hatreo ilay fialan-tsasatra teto mahajanga.

herinandro aty aoriana:

noho ny taty iarivo anefa dia noseran-draho-mainty ilay fitiavana vao niantomboka toa toy ilay akoho kely nofahon'ny papango i Nomentsoa ka lasa ambony vao tra-pahoriana satria tsy mbola tafahoana mihitsy izy roa nandritry izay herinandro nahatongavany teto iarivo izay dia lasalasa vinany mihitsy i Nomentsoa na ireo ray aman-dreniny aza dia nanontany azy mihitsy hoe fa inona foana tiy miasa lava ity ry nomentsoa a? tsy henona akory anefa izany fa any amin'i Sariaka foana ny saina.

Nomentsoa:

fa mba lasa aiza àry i Sariaka no tsy hita mihitsy no sady tsy niantso anefa ny laharan'ny findaiko any aminy, ny laharana nomeny ahy anefa toa tsy misy mandeha akory na iray aza! dia adinony tanteraka aho izany raha azoko tsara? ary ny toerana misy ahy aza efa natoroko azy kanefa izy aza toa tsy mba hitako nihaodihaody tety akory na dia indray mandeha aza, ary maninona moa aho raha avy mianatra rahampitso dia mba mivily kely eny Antanimena eny a, sao dia mba hitako eny ihany izy, tena izay rangaha no mety a!

ny ampitsony iny:

tena efa herinandro izay no nivezivezeko tety kanefa toa mbola tsy nahita azy mihitsy aho ko, sssh fa inona koa ary ity dia ho very maina izany ilay fitiavana niarahanay nanorina tany mahajanga ireny, nefa izay dia nifanome toky fa samy tsy hifamitaka mandrakizay ary nikasa mihitsy aza fa vao vita ity taom-pianarana amin'ity taona dia hivady izahay araka ilay resaka nifanaovanay teny amin'ny bord iny kinanjo anefa niafara tamin'izao tsy fahitako azy izao! tena enjana izany marina.dia inona izany izao no ataoko? sssh aleo rangaha hialana nenina ihany fa sao dia mbola ho hitako ihany izy indray andro any a! aleo izay e.

efa ho iray volana sahady izay no tsy nifankahita izaho sy i Sariaka, ary mba mihevitra ireny tany mahajanga ireny koa ary ve izy izao any sa dia nanadino ny momba izany indrindra moa fa izaho izay olon-tiany. Eeeeh! dia ato anaty fiara ato sisa no mamisavisa ireny fiarahanay tany mahajanga ireny, eny fa na dia fotoana fohy aza dia teny nahita maminy ihany izahay, fitiavana tsy nisy toy ireny kosa angamba teo an-tany. Oadray ilaozako mandefa vinany eto fotsiny nefa ny fiara eo alohako aza efa lasa. fa, fa, fa, tsy i Sariaka ve iny mandalo eto anolohako iny, ary toa miaraka amin'ny bandy izy izany? Dia ahoana izany no ataoko, hanatonana avy hatrany ve? nefa aho tsy sahy, ary raha tsy anantonako izao anefa izy dia tsy ho hitako intsony, aleo aloha arahina izay alehany e, tsy amelako kosa ianao ry Sariaka raha tsy hitako izay misy anao androany!
(dia nanaraka azy teny foana i Nomentsoa nandritry ny andro maromaro)

Sariaka:

fa inona foana ary no anarahan'ity fiara ity ny misy ahy e, toa izay misy ahy dia misy azy koa, ohatry ny hafahafa ity ka sady ilay olona anatiny tsy dia hita endrika mihitsy ao anatin'iny solomaso mainty be iny. aleo aho aloha hivily eto aho ka mody hisotrosotro jus ato amin'ity resto ity dia avy eo mivily lalana. izay aloha no andeha ataoka ka sao dia maninomaninona aty ary iza koa no mahalala raha mpamono olona io na mpaka an-keriny? aleo ihany mailo, sady tsy vao androany koa mantsy io no nanaraka ahy f'efa nisy andro maromaro ihany koa. aleo aho aloha anontany etsy fa tsy maintsy mitady lalana ivohana ato ndry ry Sariaka! hono aho azafady mety misy lalana hafa mivoaka any ivelany ve tompoko ato ankoatran'io fidirana ato io fa misy olona manaraka ahy ao ivelany ary mino aho fa tsy maintsy hiditra ato ko izy mantsy!
aiza, amin'itsy varavarana itsy? hay, misaotra tompoko o! (aleo tonga dia mivoaka haingana ka! izay!)

Nomentsoa:

oadray marina! fa toa niditra ao amin'itsy resto itsy, aleo koa tonga dia hidirako ao ary tonga dia resahana, izay no tena mety,
oadray! fa lasa aiza izy teo no tsy ato intsony mahagaga izany, nefa izy anie vao eo no niditra teo e, dia lasa aiza izany izy teo? aleo hoe anontaniako etsy!
tena tsy hitany ilay olona koa hono izany! maty aho marina! fa inona koa ary ity! sssh.

Noho ny ampitso rehefa tany an-tsekoly dia nihaona tany izy roa

Nomentsoa:

andeha hianatra indray aloha ity fa ampy izay iray volana latsaka nakan'aina izay koa, inona koa moa fakan'aina eo fa nilaozako nanejika an'ilay Sariaka iny fotsiny no nataoko nandritr'izay fialan-tsasatra izay koa, fa aleo aloha hiomana dia andeha ka!

Sariaka:

izay marina aho izany vao hiditra hianatra, tena efa taraiky be mihitsy izany fidirako izany a! ny ankizy izao efa lasa lavitra sady efa mahazo tsara ny lesona izay efa vita, izaho ity vao hiditra kanefa ry dada neny dia mandondona ery fony izaho mbola niala sasatra tany amin-dry nenitoa tany mahajanga iny! sssh ilaozako misaina izany fotsiny eto fa ora anefa mandeha ihany!

rehefa tany ampianarana dia nifankahita indray izy roa.

sariaka:

oadray! fa tsy ity ve ilay fiara mpanaraka ahy iny foana e! ie tena tsy diso mihitsy ny eritreritro a, tena izy mihitsy io, fa mba iza ary no tompony io e! nefa tsy ao izao ilay mpitondra azy! aleo aho aloha hiditra haingana any ampianarana ka!

Rehefa tonga tao ampianarana i Sariaka dia nolazainy tamin'ilay bandy niara-dalana taminy ilay fiara mpanaraka azy ka nilaza izy fa matahotra mafy ka mila aterina any an-tranony rehefa mirava ny mpianatra.

nomentsoa:

mafinaritra ahy kosa ny mianatra ao amin'ity oniversite tsy miankina ity a! sady ny mpampianatra mafinaritra daholo, mahay mampitsiky tsy lahy, tsy vavy fa tena mahay mampianatra daholo, satriko nefa tsy hivoaka ato kanefa dia tsy maintsy mivoaka hono e!

dia nivoaka izy kinanjo nahita tampoka an'i Sariaka raha iny izy hivoaka ny varavarana, ka taitra tampoka ny lehilahy

nomentsoa:

oay tena i Sariaka marina! izaho anefa izao tsy maintsy andalo eo alohany eo dia ahoana izany ? ilay solomasoko koa moa adino ao anaty fiara! jereo izato izy mifamihana be amin'io bandy io! sssh aleo rangaha andeha fa tsy ahoako izany a! izy aza mba nahavita namitaka ahy ko! aleo aho ho fantany any e!

(dia lasa izy! ny tovolahy raha teo moa sady vaovao tao amin'io sekoly io ka nijerijery azy daholo ireo tovovavy kely rehetra ka nifanontany hoe :"fa iza akia iny bandy fa mbola tsy fahitako izany, izy kosa aloha tsy ratsy an? tena vaovao tamin'ireo mpianatra tokoa moa izy fa vao nifindra sekoly ambony tao amin'ity oniversite ity?. fa i Sariaka kosa efa mpianatra tao ihany fa somary tara vao niditra ary tsy nitovy taranja tamin'i Nomentsoa rahateo ko ny tenany!
rehefa nandalovan'i Nomentsoa anefa izy dia gaga tsy naloham-peo fa nihanahana, fa i Nomentsoa kosa topi-maso kely no nijereny azy ary tsy niraharaha ny fisiany ihany koa izy ka lasa nandeha!

Sariaka:

ohay! fa tsy i Nomentsoa ve iny? tena izy iny! aleo henjehako fa tena tsy diso ny eritreritro! lasa aiza izy teo? iny fa lasa nitsofoka ao anatin'ilay fiara mpanaraka ahy iny foana! tena tsy nampoiziko marina! hay ve ianao ihany iny ry Nomentsoa malalako? dia topi-maso kely iny ve no sisa tavela tamin'ilay fitiavana niarahana nanorina tany mahajanga e!
tsia! Nomentsoa a, andraso aho aloha e!

nomentsoa :

fa tsy i Sariaka ve iny miazakazaka iny? sssh mety olona hafa ngamba no tadiaviny ka! aleo aho andeha fa mbola hiverina rahariva e

sariaka:

tena lasa izy marina! (sady nitomany)

noho ny hariva anefa dia tonga tao ampianarana indray i Nomentsoa

Nomentsoa:

fa tsy Sariaka indray ve io ambavahady io e! indrisy mantsy ry Sariaka fa dia sahinao no namitaka ahy nandritra izay fotoana tsy nahitako anao izay! eny e tsy maninona fa ianao aza sahy ko! oadray efa miditra izy izany! aleo hiditra fa tsssh

Sariaka:

io ilay fiaran'i Nomentsoa marina aleo anantonako eny, nefa izy aza ohatran'ny efa hivoaka ko, aleo rangaha andrasako eto a!
iny ny any fa manantona aty, aleo tonga dia arahabaina! manahoana ianao!

Nomentsoa:

salama tsara fa misaotra, fa iza moa raha tsy mahadiso azafady? hoy izy etsy manantsafa azy

Sariaka:

oadray fa tsy fantatrao angaha izaho, aza mananiany eo re ry nomentsoa a!

Nomentsoa:

somary nitsiky kely, no sady nanontany azy hoe : f'angaha izaho mbola tadidinao ihany! fa dia nahoana re ry Sariaka e! dia sahinao ve ny nanadino ahy kanefa dia nomeko laharana finday izao ianao fony aho hiala tany mahajanga kanefa dia tsy tsaroanao izany! sady amin'izay sahinao ny nanosihosy sy nanitraka ilay fitiavana izay niarahana nanorina! eny e! ataoko ahoana moa e, anao ny safidy dia izay tianao no ataovy!

Sariaka:

Nomena, fa inona ity lazainao amiko ity e! tsy azoko mihitsy izay tianao hotenenina, tsy mbola nanitraka anao izany aho fa ny anaranao aza mbola ato am-poko foana hatramin'izao! raha ilay laharana finday indray dia nohadinoiko tany mahajanga ilay izy nefa i nenitoa Lolona tsy manana finday ho antsoina akory! ary fantatrao tsara izany.

Nomentsoa:

hihihi, ko naninona raha naleha tany isika anie efa ho roa volana izao no tsy nihaona e! ataoko fa mbola azo izany raha niverenanao tany, eny e! misaotra anao ihany aloha na izany aza e! fa tsy aleo amin'izay ve miditra fa sao dia tara eto isika! fa sitrako indrindra rehefa mba mirava indray no tohizana ny resaka, sa sao dia manahirana an'ilay akamanao iny?

sariaka:

akamako iza koa izany? aza manao izay mahasosotra re ry Nomena a! izay ary fa rehefa mirava izany dia andrasako eto ihany izany ianao koa!

nomentsoa:

hhihihih, mody adala ndray izato izy, efa ela anie no nanarahako anao e, fantatro tsara ny momba anao?

sariaka:

aza miadaladala eo ry nomena a! tsisy an'izany marina e! namako fotsiny ireny

nomentsoa:

eny ho aho e! namanao tokoa moa izany koa, izay fa aleo aloha hiditra hianatra f'izany ko zao no anton-dia aty! dia rehefa mirava izany e

sariaka:

dia andrasanao eo aho izany a!

nomentsoa:
ie, eo amin'io fiara io aho miandry anao

mbola hitohy
nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
oktobra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana - fiainana
1429 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153