AZA KIVY!!! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
rehefa injao ianao hifoha maraina
ka somary kamo sy malaina
ny hitsangana am-pandriana
dia raha toa ianao variana
tsy hisaina afa-tsy ny anio
dia aza kivy fa izay vita no hifalio

ary mahereza mitsikaraka
eny fa na dia vidin-katsaka
aza no ho hitanao androany
dia mifalia fa ampy anao izany
ny kibo voky, ny tenda nitelina
dia mitsikia fa ny ampitso indray heverina

tsy ianao irery akory
no miasa saina tsy mahita tory
ny amin'ny fitadiavana sakafo
izay efa miaka-bidy, miha-lafo!
fa any ho any misy mitady fatratra
ny sakafo izay mbola ankamantatra!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
nosoratana anio 20 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - fiainana
883 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153