You are here: home > Vetso

VETSO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

VETSO

ny masontsika nifanojo
nifandinika maharitra
no nampientana ny foko
te hilaza izay mba tsy aritra
ary te hiresaka mangina,
hangalatra fitiavana,
ny fo moa tia ka nanam-paniriana
na fotsiny aza finamanana!

fa nisy tsiky niampita
niantefa tamin'ny vavako
te hilaza hoe tsy ritra
fa ho anao  irery ny fitiavako
dia nisy eritreritra nihaona
teny hanabaky ny misy
ary satriko aza eny foana
no higoka ny fitiavana, indrisy
fa nofy lasana any ho any  
no nandoro ny fitiavako
fa ianao ilay tena mamy,
efa nanjavona tsy tazako

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavnjy Aimé)
15/02/2018 Androndra

Hametraka hevitra

Midira aloha