LAVO SAINGY TSY MBA MATY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVO SAINGY TSY MBA MATY...
Isan'ny hira tsy maty am-po,'lay teo Ankadifotsy,
kanto ireny ka tsy mba ho lo, zary firotsy,
fiventin'ny fo iny sendra alahelo,mitamberina anaty,
na koa sendra zavona mihelohelo, tady hanasy!

Dia lavo tokoa mantsy ilay be nofinofy, lavon’ny fasana,
dia i "Om-Gui" mpitondra ilay rotsy, no injay fa lasana!
Tsy nahandry akory ilay fety farany, izay nokarakarainy,
fa ny azy ny lalany, tsy maintsy novainy!

Tsy maty izy fa lavo, ny asa-sorany mbola mitoetra,
namonjy izy ny avo, hitazana antsika rehetra,
eny mandria, mandria am-piadanana,
ao matoria, manofisa ry namana!
RRAG
06 Jona 2016
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo
834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203