ANDRY MANIFY (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRY MANIFY

Iray ao anatin'ny zato sy arivo
No sisa manaja ny fomba, tantara.
Hany ka lasa tarana-marivo
fisainana no eto dia tsy mba mahalala.

Manosihosy ny foto-piaviana
Ka lasa takaitran'ny nofo aman-tsaina.
Ny angady nananana indray no nariana,
Nasolo fitaovan-tsy fahaiza-miaina.

Dia andry manify malemy fijoro
No iankinan'ny fototr'i rafahendrena,
Mitady hianjera tsy hanam-panolo
Fa vitsy dia vitsy ireo manetry tena

Handàla ny fomban'ny Ntaolo fahiny
Sy hanandratra ny hasin'ny tany aman-teny
Fa ngadona hafa sy fombam-bahiny
No indreo fa manimba, mamono azy ireny.


Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
428 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 24/04/2021 16:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955